4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompo tsara - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Tompo ô, mankalaza anao zahay

Fa lehibe tokoa ny fitiavanao

Tonga Ianao mba hanavotra anay

Sy hamonjy izao tontolo izao



Fa tsy sitrakao ny ahaverezan'ny ratsy fanahy

Fa ny hiovany amin'ny lalana hodiaviny

Ka ho velona sy hialoka eo Aminao

Izao tontolo rehetra izao



Ray ô, tomponay Ianao fa mpanome aim-baovao

Ho foana hatreo ireo ahiahy fa Ianao no mpiahy

Endrey ny haravoanay fa hiara-hiaina Aminao

Tsy hitsahatra ny hira asandratray fa Tompo tsara Ianao !



Tompo ô, miandrandra Anao zahay

Fa tsy niova Ianao hatramin'izao

Maro be ireo famantarana

Izay milaza fa mbola ho avy Ianao



Fa tsy sitrakao ho very maina ny ezakay tety

Fa ho tonga Ianao mba hitsara ny velona sy ny maty

Sy hanolo izao , hanolo izao tontolo izao

Ho Jerosalema vaovao.

Partager tompo tsara

Commenter tompo tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite